Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

 

Niditra tao amin’ny Fikambanana Misionnaires de Notre Dame de la Salette ny 18 septambra 2008 rehefa avy nandalina ny teolojia tao amin’ny Seminera zokiny Faliarivo ny taona 2005 ka hatramin’ny taona 2008. Tao Antsahasoa izy no nanomboka ny fiofanana maha relijiozy azy ka nanao ny stage pastoral sy postulat ny taona 2008 ka hatramin’ny taona 2009, ary novisià ny taona 2009 ka hatramin’ny 17 septambra 2010, izay andro nanononany ny voady voalohany.

Nanohy ny fandalinana teolojia tao amin’ny UCM Ambatoroka, nahazoana ny mari-pahaizana Master II nifantoka tamin’ny Soratra Masina, ny taona 2010 ka hatramin’ny 2012.
Taorin’izay izy dia nanao ny stage pastoral tao Ankavandra ny taona 2012, ary tany Mandoto ny taona 2013, dia niverina tany Antsahasoa nanohy ny fiofanana Juniorà ny taona 2014 ka hatramin’ny taona 2015, ary ny 26 jolay 2015 izy no nanonona ny voady mandrakizay tany La Salette – France. Tamin’io taona 2015 io ihany izy no nohamasinina ho diakra tao Antsahasoa ny 18 septambra, ary voatendry hiasa tany Ankazomiriotra nandritra ny herintaona, mialoha ny nanamasinana azy ho pretra tao Antsahasoa ny 30 jolay 2016.

Voatendry ho Talen’ny Lycée St Michel Ankazomiriotra i P. Clément ny taona 2016 ka hatramin’ny taona 2019. Nandritra izany koa no naha-vikera azy tao amin’io distrika io. Ny taona 2019, voatendry ho curé tao amin’ny distrika Antsalova. Mbola niandraikitra io distrika io izy no notendrena ho vikera jeneralin’ny diosezin’i Maintirano. Ary rehefa voatendry hiandraikitra diosezy hafa i Monseigneur Gustavo dia i P. Clément Herizo no vicaire déléguén’ny admnistrateur apostolique, hatramin’izao nanendren’ny Papa François azy ho evekan’i Maintirano izao.

Manoloana izao fanendren’ny Ray masina izao dia miarahaba sy mankahery an’i Mgr Rakotoasimbola Clément Herizo ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara, ary mirary soa ho azy amin’ny adidy ankinina aminy. Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, evekan’i Morondava, Filohan’ny Fivondronam-ben’ny Eveka eto Madagasikara.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 mey 2024

♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...