♦ Tontosa ny sabotsy 17 aogositra 2024, ny Andron'ny Diôsezy sy ny fankalazana ny fetin'i Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra, teo ihany koa ny fankalazana ireo taon-jobily samihafa, ho an'ireo pretra avy eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nifarana omaly ny Lasy Ravina andiany faharoa, ho an'ny Antilin'i Madagasikara ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... ♦ Mamonjy antsika i Jesoa amin'ny alalan'ny famelomany ny fiainantsika amin'ny azy mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianarana nentin'ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

[audio src="/images/sounds/mdl-20240819.mp3" background="#0099ffff"]

[Vaovao manokana] Alarobia 19 aogositra 2026

Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...