Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Teraka tao Nowe Miasto Lubawakie, Diosezin’i Torún ny 14 marsa 1966 i Mgr Mareck. Ny taona 1981 izy no niditra tao amin’ny Seminera zandrin’ny Fikambanana Missionnaires Oblats de Marie Immaculée tao Markowice. Rehefa nahazo ny mari-pahaizana Bakalorea izy ny taona 1985, dia niditra tao amin’ny dingam-piofanana novisia tao Koden, ka nanonona ny voady voalohany tao amin’io Fikambanana io ny 8 septambra 1986. Avy eo izy nanohy ny fandalinana filozofia sy teolojia tao amin’ny Semineran’ny Oblats tao Obra, ary tao izy no nanonona ny voady mandrakizay. I Mgr Zdzislaw, eveka mpanampy tao Poznan no nanamasina azy ho pretra ny 20 jona 1992.

Tany Kiedzierzyn-Kozle izy nanao asa misionera voalohany, ka voairaka ho vikera tao amin’ny Fiangonana Md Eugène de Mazenod. Ny 8 aogositra 1995 izy no nihazo an’i Madagasikara ka nitondra Fiangonana tany ambanivohitra sady Lehiben’ny ankohonam-piainan’ny Misionera Oblats tao amin’ny Arsidiosezin’i Toamasina. Izy no Lehiben’ny Délégation Oblats de Marie Immaculée teto Madagasikara ny taona 2009 ka hatramin’ny 2015. Rehefa tapitra io fotoam-piasany io dia nanohy ny asa maha misionera azy tany Befasy izy ny taona 2016 ka hatramin’ny 2021. Niverina tany Pologne izy avy eo, ary voatendry ho Directeur de la Procure ho an’ny Province Pologne.

Ny 20 janoary 2023, notendren’ny Lehiben’ny Fikambanana maneran-tany ho Lehiben’ny Province Pologne i P. Mareck, ka ny 17 febroary 2023 izy no nanomboka io asa io, izay marihana fa eo ambany fiadidiany ihany koa ny Délégation O.M.I eto Madagasikara. Ny 17 aprily 2025 izy no notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Fenoarivo-Atsinanana.

Manoloana izao Fanendrena izao dia mirary soa an’i Mgr Marech ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara ary miarahaba ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana amin’ny nahazoan’izy ireo Eveka, araka izao firarian-tsoa entin’i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan’ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara izao.

Ny Ekipan’ny Radio Don Bosco dia miarahaba an’i Mgr Mareck Ochlak, mirary soa azy hahavita be amin’ny iraka ankinina aminy, ary miarahaba ny Diosezy Fenoarivo-Atsinanana noho ny fahazoan’izy ireo mpiandry ondry vaovao.

[Miara-dàlana] Zoma 11 jolay 2025

• Notanterahana tao amin'ny Sanctuaire Lakroa Masina ao Łysa Góra ny alarobia 9 jolay 2025, ny fombam-pivavahana namindrana ny reliques an'ny Lakroa Masina, ho entin'i Mgr Marek Ochlak, Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana, ho aty Madagasikara... • Manentana antsika mianakavy hivavaka ho an'ny fianarana mandanjalanja ny Papa, ao anatin'ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa maneran-tany, amin'ity vola jolay ity... • Mampirisika ny zokiolona ny Papa, mba hitahiry amim-pitokiana ao amin'ny Tompo ary hanaiky havaoziny isan'andro amin'ny fihaonana aminy, ao anatin'ny vavaka sy ny Sorona Masina. Ambarany izany ao anatin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany faha-5 ho an'ny raibe sy ny renibe ary ny zokiolona...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...