Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Zanak’i Randrianifahanana Georges sy Ravaorisoa Élisabeth, izay efa samy nodimandry i Mgr Mamiarisoa Modeste. Ny 17 jona 1967 izy no teraka tao Fiakarana, Ambohitrimanjaka. Zaza faha-11 amin’ny 14 nateraky ny ray aman-dreniny. Vao folo andro monja izy dia natao Batemy tao Ambohitrimanjaka ihany. Ny 14 jona 1981 no nandray ny Komonio voalohany tao Tsaramasay, Paroasy izay nanolotra azy tany amin’ny Seminera Zandriny Ambohipo, toerana nandraisany ny Sakramentan’ny Fankaherezana ny 1 aprily 1984.

Tao Miadana Ambohitrimanjaka no nanombohany ny fanabeazana fototra ny taona 1973. Avy eo izy nanohy ny fianarana tao amin’ny CEG Anosisoa Ambohimanarina ny taona 1978. Rehefa naheno ny fiantsoana azy ho pretra izy dia niditra teny amin’ny Seminera Zandriny Ambohipo ny taona 1983, ary nanohy ny fianarana sy ny fiofanana tao hatramin’ny taona 1987, izay nahazoany ny mari-pahaizana Baccalauréat, Série C. Avy eo izy, nanao ny fanompoam-pirenena ivelan’ny tafika tao amin’ny CNaPS Ampefiloha.

Niofana nandritra herintaona tao amin’ny Seminera Aivo, Ambohipo izy ny taona 1988 ka hatramin’ny 1989; nanohy ny fiofanana ho pretra tany Amin’ny Seminera Zokiny, fandalinana filôzôfia, nanomboka ny taona 1982, izay naharitra telo taona. Ny taona 1992 ka hatramin’ny 1994 izy nanao ny fizarana asa na ny Stage de régence tao amin’ny Seminera Zandriny Ambohipo; ary avy eo nanohy fiofanana, tamin’ny fandalinana ny teolojia tao amin’ny Institut Catholique de Madagascar tao Ambatoroka, hatramin’ny taona 1998. Ny 7 aogositra 1996 izy no nohamasinin’i Mgr Armand Gaëtan Razafindratandra ho diakra, tao Ambohipo. Ary io eveka io ihany no nanamasina azy ho pretra tao Amparibe Mahamasina, ny 6 septambra 1997. Teny manentana azy amin’ny famaliana ny antson’ny Tompo ny hoe “Ataovy izay rehetra lazainy aminareo”, Joany 2, 5.

Maro ny asa pastoraly nosahaniny. Raha vao nohamasinina izy 1996 dia voatendry ho aomonien’ny Fivondronan’ny Eokaristikan’ny Tanora sy aomonien’ny Vaomieran’ny litorjia teto amin’ny Diosezin’Antananarivo hatramin’ny taona 2003. Fanampin’izany ny nanendrena azy ho Rektoran’ny Seminera Aivo, tao Amboara Ambohidratrimo, nandritra ireo fotoana ireo. Nanomboka ny taona 2003 ka hatramin’ny taona 2017, voairaka hiasa tany amin’ny Diosezy La Réunion izy: Admnistrateur tao Hell-Bour izy ny 2003 ka hatramin’ny 2005; ny 2005 ka hatramin’ny 2007 dia vikera tao Trous-Bassins ary lasa Curé avy eo. Voatendry ho Curé tao Entre-Deux, ny taona 2007 hatramin’ny 2017.

Rehefa niverina teto an-tanindrazana izy ny taona 2017 dia voairaka ho curé tao amin’ny Distrika misionera Ambatolampy hatramin’ny taona 2020, izay nanendrena azy ho minisitra tao amin’ny ekipan’ny mpanabe tao amin’ny Seminera Zokiny, fandalinana filôzofia, Antsirabe, hatramin’ny taona 2023. Nisahana ny andraikitra maha-vikera jeneraly teto amin’ny Diosezin’Antananarivo, ny taona 2023 ka hatramin’izao fanendrena azy ho eveka mpanampy eto amin’ny Arsidiosezin’Antananarivo izao.

Amin’izao fanendrena an’i Mgr Mamiarisoa Modeste izao dia maneho ny fiarahabana sy firariantsoa ho azy ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, araka izao entin’ny Filohan’izy ireo izao, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan’i Morondava.

Izahay eto amin’ny Radio Don Bosco dia miarahaba sy mirary soa ho an’i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, amin’izao iraka vaovao ankinin’Andriamanitra sy ny Eglizy aminy izao, mba hahavita be amin’ny fanompoana an’Andriamanitra sy ny vahoakany.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...