• Miditra amin'ny herinandro faharoa hanatanterahana ny fivorian'ny Pretra ny ao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana, izay entina hanomanana ny fankalazana ny faha-70 taonan'ny Diosezy ny volana septambra 2025... • Mila fanetren-tena sy finiavana tanteraka, tsy misy fanavahana ary mandrava ny elanelana ny tena fitiavana marina, hoy ny Arsevekan'Antananarivo nandritra ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny fahavitan'ny asa fanavaozana ny Evêché Andohalo... • Raiso ny sitrapon'Andriamanitra, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly, tao Castel Gandolfo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 3 aogositra 2026

• Tontosa omaly tao amin'ny Katedraly Masindahy Josefa ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina ny fanamasinana ho diakra ireo frera telo mirahalahy... • Ny 1 sy ny 2 aogositra no nanatanterahan'ny avy eo anivon'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany, ny diabe fransiskana isan-taona, etin'izy ireo hankalazana ny “Pardon d'Assise”... • Hanatanteraka fitsidihana apostolika any Assise ny Papa Léon XIV, amin'ny alakamisy 6 aogositra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...