Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Teraka ny 18 janoary 1973 tao Anosy Avaratra, Antananarivo, i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona. Avy amin’ny Arsidiosezin’Antananarivo izy ka tao avokoa no nanaovany ny dingam-piofanana rehetra amin’ny firosoana maha-pretra, nanomboka ny taona 1989 izay nidirany teny amin’ny Seminera Zandriny Ambohipo ka hatramin’ny fotoana nanamasinana azy ho diakra ny 4 aogositra 2001. Nandray ny laharana maha-mpisoron’ny avo indrindra izy ny 3 aogositra 2002.
Nanohy ny fandalinana ny filôzofia teny amin’ny Université Catholique de Madagascar izy ary nahazo ny mari-pahaizana “Maîtrise en philosophie” momba ny “philosophie de la religion”, ny taona 2006. Ny taona 2011, nanohy ny fandalinana teôlôjia tany amin’ny Université de Fribourg tany Suisse izy ka nahazo ny mari-pahaizana “Doctorat en théologie” momba ny “Sciences des religions” ny taona 2017.
Maro samihafa ny asa pastôraly nosahaniny nandritra naha-pretra azy tao amin’ny Arsidiosezin’Antananarivo: Vikera tao amin’ny Distrika Ihazolava (2002), Vikera tao Andohatapenaka (2004-2006); niandraikitra ny asa fanabeazana sy fampiofanana ho pretra ka notendrena ho Rektoran'ny Seminera Aivo Amboara Ambohidratrimo sady nampianatra ny taranja filôzofia tao amin’io toeram-piofanana ho pretra io. Fanampin’izany ny fampianarana momba ny foto-pampianaran’ny Eglizy momba ny fiaraha-monina sy sosialy, ny Litorjia eokaristika teny amin’ny toeram-piofanana momba ny teôlôjia sy pastôraly ary Baiboly ho an’ny lahika eny Ambatoroka.
Ny taona 2009, Curé tao amin’ny Eglizy Masindahy Étienne Ambanidia izy, ary nampianatra ny taranja filozofia teny amin’ny Seminera Zandriny Ambohipo. Ny 2018 no voatendry ho Rektora tao amin’ny Seminera Zokiny, fandalinana filôzôfia, Masindahy Paoly, Manantenasoa Antsirabe. Ny 19 may 2023 notendren’ny Papa François ho Eveka mpanampy tao amin’ny Diosezin’i Morondava hatramin’izao nanendrena azy ho Eveka mpanampy sady mpandimby toerana (évêque coadjuteur), ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa izao. Ny 2 jolay 2023 izy no nohamasinina ho Eveka tao Morondava.
Manoloana izao iraka vaovao izao dia maneho ny firarian-tsoa sy fiarahabana an’i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona ny Fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, entin’ny Filohany, Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Evekan’i Morondava.
Ny mpiara-miasa rehetra eto amin’ny Radio Don Bosco dia maneho ny fiarahabana sy firarian-tsoa ho an’i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, amin’izao andraikitra vaovao ankinina aminy izao, ary miarahaba ihany koa ny Arsisdiosezin’i Fianarantsoa amin’izao nahazoan’izy ireo mpiandry ondry vaovao izao.