“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Homba anareo anie ny fiadanana!

Nivory teto Antananarivo toy ny fanao isan-taona izahay Evekan’i Madagasikara Raiamandreninareo ny 4 hatramin’ny 14 novambra 2025 no manao izao hafatra manaraka izao ho antsika mianakavy.

01. Mbola ao anatin’ny ny Taon-jobilin’ny fanantenana hatrany isika; ary maro ireo fomba natao tany amin’ny diosezy maro ka nisongadina tamin’izany ny vavaka sy ny fivahiniana masina ary ny fibebahana. Teo amin’ny sehatra nasionaly dia nomarihan’ny fiainam-pinoantsika tamin’ny fanokanana an’i Madagasikara amin’i Fo Masin’i Jesoa nandritra ny fivahiniana masina tamin’ny 18 mey 2025 tany Itasy (Miarinarivo) izany. Tontosa soa aman-tsara koa ny fankalazana ny Andro nasionaly ho an’ny olon-dehibe izay natao tany Morondava (24–31 aogositra 2025) ary ny Andron’ny tanora tany amin’ny diosezy maromaro. Fanampin’ireo ny hafaliana avy amin’ny nahazoantsika ireo Mpiandry ondry ato amin’ny Eglizy Katolika. Teo ny fametrahana an’i Monsenera Marek Ochlak ho Evekan’i Fenoarivo Atsinanana rehefa avy nohamasinina tany Pologne tanindrazany. Ny fanendrena sy ny fanamasinana ho Eveka mpanampy eto Antananarivo i Monseigneur Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana. Ary vao tsy ela koa no nanendren’ny Papa an’i Monsenera Jean Nicolas Rakotojaona ho Arseveka mpanampy sy ho mpandimby toerana (coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa. Ary indrindra ny famoahana ny dikan-teny vaovaon’ny Baiboly Masina Katolika na BMK tamin’ny 9 novambra 2025 izay tranga iray goavana nanamarika ny tantaran’ny Eglizintsika. Dikan-teny natao hanampy antsika hahazo bebe kokoa ny Hafatr’Andriamanitra izany. Mampirisika antsika àry, hamaky sy hivelona hatrany ny Tenin’Andriamanitra. Isaorana Azy Tompo sy ankinina aminy hatrany ny fiainan’ny Eglizin’i Madagasikara noho izany fahasoavana rehetra izany.

02. Eo amin’ny fiainam-pirenena dia iarahantsika miaina amin’izao fotoana izao ny fanovana vokatry ny hetsi-bahoaka notarihin’ny tanora ka nijoroan’izao Fanjakana ho an’ny Fanovana ny Repoblikan’i Madagasikara izao. Ary izany indrindra no anton’ity hafatra alefa amintsika mianakavy ity.

Feno ny kapoaka, nitroatra ny vahoaka

03. Tsy azonay atao, amin’ny maha Raiamandreny anay, ny hangina manoloana iny krizy politika niainana teto amin’ny firenena vao tsy ela iny sady mbola iainantsika ankehitriny. Tsy tanan’ny vahoaka Malagasy intsony ka niafara tamin’ny fidinana andalam-be ny fanehoany ny maharary azy dia ny tsy fisian-drano sy ny fahatapahan’ny jiro lavareny. Ny jiro sy rano izay tena filàna fototra tokoa. Nampitroatra ny tsy fahafaham-pon’ny maro koa ny fisian’ny kolikoly tsisy farany, ny fanamparam-pahefana, ny tsy fahaiza-mitondra sy mitantana ny fiainam-bahoaka nataon’ny mpitondra nametrahany fitokisana mba hiahy sy hiaro azy. Nitana anjara toerana lehibe tamin’ny hetsika rehetra ny tanora, tsy nahasakana ny tolona nataon’izy ireo ny famoretana nataon’ny mpitandro filaminana. Nisy moa ny naratra, nisy ny namoy ny ainy ary nisy koa ny rava fananana noho ny herisetra. Izany rehetra izany dia niafara tamin’ny firotsahan’ny miaramilan’ny CAPSAT nirotsaka an-tsehatra niaro ny vahoaka ka nahatonga azy ireo nandray ny fahefana koa. Mitondra am-bavaka hatrany an’ireo namoy ny ainy sy ny fianakaviana nilaozany isika; ary mankahery ireo mbola ao anatin’ny fitsaboana sy ireo eo am-panarenana ny fananana simba sy rava.

04. Midika ireo zava-nitranga ireo fa miandrandra fiovana marina eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny vahoaka maharary sy mangirifiry. Tadiaviny, araka izany, ny fiovana amin’ny fanaovana politikam-piaraha-monina miaro ny tombontsoa maharitra ho an’ny besinimaro fa tsy politika mivaona ka lasa politikan’ny mpanao afera sy ny tia tena izay tsy mikatsaka afa-tsy ny tombontsoan’ny mpitondra sy ny mpiray petsapetsa aminy. Vao nanomboka ny hetsi-bahoaka dia nanao fanambaràna izahay Eveka tamin’ny 26 septambra 2025 nampahatsiaro ireo efa nolazainay taloha1 momba izay mankarary ny firenena. Ireo fototr’aretina ireo no novakian’ny tanora bantsilana teny an-kianja notohanan’ireo mpiara-mitolona.

Mila ovaina tanteraka ny fanaovana politika

05. Fanovana no tena notakiana sy nandrandrain’ny maro: fanovana toe-tsaina tsy ho tia tena, anisan’izany ny famokisana fotsiny ny namana amin’ny volam-bahoaka ka hizarana fotsiny toerana eny fa na dia olona tsy havanana amin’zany aza, fialàna amin’ny kolikoly ka hitodihana amin’ny tombontsoa iombonana. Mitranga sahady anefa ny ahiahy fandrao mivaona amin’ireo zavatra notakian’ny tanora sy ny vahoaka ny fizotran’ny zava-misy ankehitriny eto amin’ny firenena. Ahiana hiverina ireo olona efa teo sy ny fomba taloha nandentika ny fiainam-pirenena, indrindra eo amin’ny sehatra politika sy toe-karena. Mampanahy koa ny fisian’ireo olona voakarama mba hanakorontana ny fiainam-bahoaka sy hamandrika ny fanovana andrandrain’ny maro. Aoka samy ho mailo isika. Koa mampahatsiaro mandrakariva anareo mpitondra izahay ny amin’ ny hanaovanareo vaindohan-draharaha ireo fanovana notakian’ny vahoaka. Aoka hofongorina ireo fomba ratsy nentina nambotry ny firenena ka mahatonga izao fahantrana lalina iaraha-mizaka izao. Ny tena maharary ny vahoaka no aoka hojerena hatrany, fa tsy ny tombontsoan’olom-bitsy. Aoka tsy hatao tompony mangataka ny atiny intsony ny vahoaka malagasy, fa mba hisitraka kosa ny fampandrosoana marina sy maharitra.

06. Niharihary tamin’ny fitakiana nandritra ny hetsika natao ny herim-pon’ny tanora. Fa mifanindrandalana amin’izany ny tsy hanadinoana ny soatoavina maha malagasy antsika amin’ny fanehoana ny fitakiana (fiteny, fihetsika), indrindra ny fanajana ny Raiamandreny sy ny tompon’andraikitra. Tsy maintsy ekena koa fa mila fotoana ny fahatanterahan’ izay notakiana sy izay nampanantenaina. Mila manapa-kevitra hiala amin’ny fomba ratsy nahazatra teo aloha. Marihina eto fa tsy ho an’ny tanora ihany izany fa ho an’ny olom-pirenena rehetra tsy an-kanavaka. Hamafisinay fa tsy afaka hiara-dia amin’ny fampandrosoana ny herisetra sy ny valifaty, amin’ny endriny rehetra, ary tsy hitondra fitoniana sy filaminana na oviana na oviana. Lalana ho any amin’ny fampihavanana sy ny fiombonana ary ny fahamarinana sy ny famindram-po no tsy maintsy katsahina. Ny fampiharana ny rariny sy ny hitsiny kosa anefa dia tsy midika valifaty velively.

Ry mpitondra sy mpanao politika

07. Manoloana izao kihon-dalana vaovao atrehin’ny firenena izao dia tianay ny manamafy fa vinavinam-pampandrosoana mazava sy maharitra ary azo ampiharina avy hatrany no ilain’i Madagasikara. Tsy maintsy ovaina ny fomba fanaovana politika mba ho fanompoana vahoaka amin’ny alalan’ny fiahiana ny soa iombonana, “indrindra ao anatin’ny fotoan-tsarotra”, araka ny tena heviny marina2. Ny fikaonan-doham-pirenena miainga avy any ifotony no hahafahana miroso amin’izany, ka hanomanana fanjakana marin-toerana sy matanjaka. Izay tena ilain’ny vahoaka tokoa no aoka hatao lohalaharana na amin’ny tombana fohy ezaka izany na amin’ny tombana lavitr’ezaka. Aoka hohajaina ny roa taona voalaza sy napetraka ho an’ny fitondrana tetezamita. Lesoka teo amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara hatramin’izay ny tsy fahaizana mifampihaino sy mifampatoky ka aoka isika samy ho tonga saina amin’izay.

08. Raha iaingana izay notakian’ny vahoaka dia andrasana aminareo mpitondra izay ilainy maika: ny jiro, ny rano, ny lalana. Hatao laharam-pahamehana hatrany ny sehatry ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fitandrovana ny tontolo iainana sy ny fandriam-pahalemana izay miantoka ny fahafahan’ny vahoaka mamokatra. Tsy afa-misaraka amin’izany ny fitsitsiana izay narangaranga hatramin’ny fanombohan’izao fanjakana izao. Aoka ny mpitondra no hanome ohatra amin’izany: hampandefitra ny rendrarendra tsy ilaina sy ireo tombontsoa nilomanosan’ny mpitondra hatramin’izay, mba hahafahana manala ny vahoaka amin’ny fihafiana lavareny tsy fidiny.

09. Mivavaka ho anareo mpitondra mandrakariva izahay, araka ny hafatrafatry ny Soratra Masina (jer. 1Tm 2, 2). Mpitondra manana toetran-dRaiamandreny sy matahotra an’Andriamanitra manko no ilain’izao androntsika izao, mpitondra mahatsapa izao fahorian’ny ny mpiray tanindrazana sy manana fo miara-mitempo aminy. Amin’izany no ahahafany manome ny tsara indrindra ho an’ny vahoaka, araka ny tenin’i Jesoa hoe: “Ianareo, na dia ratsy aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo” (Lk 11, 13). Tompon’andraikitra sahy mijoro sy malina amin’ireo manodidina azy no ilain’ny vahoaka miandrandra fanovana. Ny afaka hitondra izany fanovana izany dia mpitondra mahay mizara andraikitra sy fahefana ary afaka mihaino ny hafa, mpitondra matoky ny mpiara-miasa aminy sy mitsinjo ny faritra samihafa eto amin’ny firenena. Tsy mbola nahasoa firenena mihitsy ny fivangongoan’ny fahefana sy ny fahaiza-manaon’ny olom-bitsy amin’ireo renivohitra ihany. Natao hiaro sy hitantana ny harena ara-drariny mba hahasoa ny besinimaro ny mpitondra, fa tsy ho mpitrandraka na mpanao azy ho tantely afa-drakotra.3 Aoka hofongorina ireo tambajotra mihevitra an’i Madagasikara ho fananany manokana; “ny vahoaka tsy ambakaina, ny maharitra tsy maintsy mahita ny farany”.

10. Manao antso avo aminareo mpanao politika hatrany izahay. Aoka izay ny politika mamotika firenena. Atsaharo ny politika fitadiavan-tseza sy fitsentsefana ny harem-pirenena. Aza hararaotinareo ny hafanam-pon’ny tanora sy ny vahoaka te hanarina sy hanova ny tantara. Adidinareo mpitondra fanjakana ny manokatra hatrany ny fanantenana ao amin’ny tanora amin’ny alalan’ny fanabeazana sy fandaharam-pianarana madio tsy mifangaro politika sy tombontsoa hafa mety hamandrika azy ireo. Anjaranareo koa ny mamoronana sy mampivelatra asa sy tetik’asa miantoka ny hoavin’izy ireo. Entanina hifarimbona amin’izany ny mpanabe vahoaka isan-tsokajiny eto amin’ny firenena: Fiangonana, sekoly, fikambanana, mpanan-kanto, mpanao gazety … Koa “mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9).

Ho antsika vahoaka

11. Mila manova toe-tsaina sy mibebaka ary manadio ny fo koa ny vahoaka. Tsy mety ny miandry sy miandrandra fotsiny izay ataon’ny mpitondra sy ny tompon’andraikitra; satria misy ny miankina amintsika sy azontsika atao. Samia isika mamantatra sy manatanteraka izay tandrify azy ho fiarovana ny soa iombonana.Tsy maintsy hifarimbonan’ny rehetra ny famongorana ny kolikoly izay efa manjary fomba fiainana manohitra ny feon’ny fieritreretana ka mamono azy. Mila mahasahy mijoro manohitra izany isika rehetra, indrindra isika izay nandray ny fampianaram-pinoana kristianina, mitonona ho mpianatr’i Kristy “Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana” (Jo 14, 6). Tadidio mandrakariva ny tenin’i Jesoa hoe: “ny marina (ihany) no hanafaka anareo” (Jo 8, 32); ka aoka tsy hanaiky horebirebena, amin’ny lafiny rehetra.

Ry tanora

12. Miandrandra anareo hatrany i Madagasikara amin’ny fanovana mampangetaheta azy mafy. Na eo aza, andaniny, ny tahotra sy ahiahy amin’ny hoavinareo sy, ankilany, ny fijery miiba avy amin’ny fiaraha-monina anareo dia niteraka fomba fijery vaovao ny nataonareo ho an’ny firenena. Anananay fitokisana sy fanantenana ianareo nanomboka tamin’ iny hetsi-bahoaka notarihinareo iny. Mijoroa, ary miaraha mijoro hatramin’ny farany. Ianareo no antenaina hitondra fiainam-baovao ho an’ny fiaraha-monina sy ny firenena, araka ny efa natombokareo. Zatra manao lalan-dririnina amin’ny fanaovana politika sy fihariana izay tsy mitsinjo ny mpiray tanindrazana manko ny maro amin’ireo zokinareo ka izay no nahatonga ny firenena ho potika toy izao. Afaka hitondra rivo-baovao ho an’i Madagasikara ny fomba fijery vaovao ao aminareo. Aza matoky tena loatra anefa, fa maneke ho tanora mila mpiara-dia sy mpitarika hatrany eo amin’ny fiatrehana ny fiainana4. Ianareo no hoavin’ny firenena ka aza miana-dratsy; mahaiza manavaka ny tena izy sy ny mena miraviravy. Mahaiza maka lesona amin’ny fiainana ary manàna tanjona mazava hitari-dalana, na amin’ny fiainanareo samirery izany na amin’ny fiombonanareo amin’ny hafa. Manam-pahaizana sy manam-piniavana ianareo, saingy ny toetry ny fon’ny olona no itarafana ny fahendreny: “Ny olona tsara fanahy, hoy i Jesoa, dia mamoaka ny tsara avy amin’ny rakitra tsaran’ny fony” (Lk 6, 45)5.

Manan-kantenaina hatrany isika

13. Faharesen-dahatra nentin’ity Taon-jobily ity ho antsika Mpivahinin’ny fanantenana izany. Na mafy aza izay atrehintsika mianakavy, na mila fotoana sy fikirizana ary faharetana aza ny tena fanovana andrandraintsika dia manan-kantenaina hatrany isika. Fanantenana manentana antsika hijoro sy handray andraikitra hatrany izany, satria velomin’ny fitokisana an’ilay fototry ny fanantenana kristianina – dia i Jesoa Kristy maty fa velona mandrakizay ary manokatra lalam-baovao ho antsika. Koa “mifalia amin’ny fanantenana, mandefera amin’ny fahoriana ary mahareta amin’ny fivavahana” (Rm 12,12).

14. Mivavaka manokana ho anareo tanora izahay amin’izao ankatoky ny fankalazana ny Andro maneran-tany faha-40 ho anareo izao, izay ankalazaina amin’ny alahadin’i Jesoa Kristy Mpanjakan’ny tany aman-danitra. Maniraka anareo amin’ny alalan’ny hafatr’ i Papa Léon faha-14, indray ny Eglizy manao hoe: “Ary ianareo koa hijoro ho vavolombelona hanambara Ahy satria miaraka amiko hatramin’ny voalohany ianareo” (Jo 15,27). Efa miomana sahady amin’ny JMJ MADA andiany faha-11 hatao any Toamasina amin’ny taona 2026 koa isika. Sehatra lehibe anabeazan’ny Eglizy ny tanora ireo hetsika roa sosona ireo, sady anamafisana ny fiombonana.

15. Iombonantsika sy asandratsika hatrany ny vavaka ho an’i Madagasikara tanindrazantsika, miaraka amin’i Masina Maria Mpanjakavavin’i Madagasikara, i Masindahy Josefa mpiaro ny Eglizy, ary ireo Olomasina sy Olontsambatry ny tanintsika. Tohizintsika miaraka amin’izy ireo ny fanankinana an’i Madagasikara amin’ny Fo Masin’i Jesoa Toky-fanantenana ho antsika. Enga anie tsy hivaona amin’izay sitra-pon’Andriamanitra ho an’ny tanindrazantsika izao fanovana irosoantsika mianakavy izao.

Mivavaka sy mitso-drano anareo izahay Eveka Raiamandreninareo.

Natao teto Antananarivo, ny 11 novambra 2025
Fetin’i Masindahy Martin, Evekan’i Tours

S.E. Mgr Marie Fabien Samuelin RAHARILAMBONIAINA, Evekan’i Morondava, Filohan’ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara,
S.E. Mgr Jean Pascal ANDRIANTSOAVINA, Evekan’Antsirabe, Filoha Lefitra,
S.E. Mgr Jean Claude RAKOTOARISOA, Evekan’i Miarinarivo, Sekretera Jeneraly,
S.E. Mgr Désiré Kardinaly TSARAHAZANA, Arsevekan’i Toamasina,
S.E. Mgr Filgence RABEMAHAFALY, Arsevekan’i Fianarantsoa,
S.E. Mgr Nicolas RAKOTOJAONA, Arseveka Koajiteran’i Fianarantsoa,
S.E. Mgr Jean de Dieu RAOELISON, Arsevekan’Antananarivo,
S.E. Mgr Benjamin Marc RAMAROSON, Arsevekan’Antsiranana,
S.E. Mgr Gustavo BOMBIN ESPINO, Arsevekean’i Toliary,
S.E. Mgr Gabriel RANDRIANANTENAINA, Evekan’i Tsiroanomandidy,
S.E. Mgr Georges Varkey PUTHIYAKULANGARA, Evekan’i Port-Bergé,
S.E. Mgr Marcellin RANDRIAMAMONJY, Evekan’i Farafangana,
S.E. Mgr Herivonjilalaina Orthasie Marcellin, Evekan’Ambatondrazaka,
S.E. Mgr Marek Ochlak, Evekan’i Fenoarivo Antsinanana,
S.E. Mgr Rosario VELLA, Evekan’i Moramanga
S.E. Mgr Jean Désiré RAZAFINIRINA, Evekan’i Morombe,
S.E. Mgr Clément Herizo RAKOTOASIMBOLA, Evekan’i Maintirano,
S.E. Mgr Fidelis RAKOTONARIVO, Evekan’Ambositra,
S.E. Mgr José Alfredo CAIRES DE NOBREGA, Evekan’i Mananjary,
S.E. Mgr Fulgence RAZAKARIVONY, Evekan’Ihosy,
S.E. Mgr Zygmunt ROBASZKIEWICZ, Evekan’i Mahajanga,
S.E. Mgr Donatien Francis RANDRIAMALALA, Evekan’Ambanja,
S.E. Mgr Luc Olivier RAZAFITSIMIALONA, Evekan’i Tolagnaro,
S.E. Mgr Mamiarisoa Modeste RANDRIANIFAHANANA, Eveka mpanampin’Antananarivo,
S.E. Mgr Vincent RAKOTOZAFY, Eveka misotro rononon’i Tolagnaro,
S.E. Mgr Raymond RAZAKARIVONY, Eveka misotro rononon’i Miarinarivo,
S.E. Mgr Odon Marie Arsène RAZANAKOLONA, Arseveka misotro rononon’Antananarivo,
S.E. Mgr Fulgence RABEONY, Arseveka misotro rononon’i Toliary,
S.E. Mgr Gaetano DI PIERRO, Eveka misotro rononon’i Farafangana,
S.E. Mgr Michel MALO, Arseveka misotro rononon’Antsiranana,
S.E. Mgr Armand TOASY, Eveka misotro rononon’i Port-Bergé.


1 Jereo Fanambaràna avy amin’ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara (26.09.2025): “tena marary ny firenentsika ary tamin’ny fomba maro na tamin’ny fotoana maro izahay Eveka dia efa niteny ireo marary ny vahoaka madinika”; mampahatsiaro ireo fanairana nataony tamin’ireo Hafatra tamin’ny taona 2023-2024.
Ny vaomieran’ny Eveka momba ny Rariny sy ny Fiadanana koa dia namerimberina tamin’ireo Hafatra nataony fa “marary ny firenena”. Jereo Hafatra 29.08.2025 


2 FRANSOA, Fratelli tutti, lah. 176, jereo Hafatra Manohina ny fon’i Jesoa ny fangirifiriantsika Malagasy, 15.11.2024, lah. 05 


3 VAOMIERAN’NY EVEKA MOMBA NY RARINY SY NY FIADANANA. 


4 Jr. FRANSOA, Christus vivit, lah. 242-247 


5 FRANSOA, Dilexit nos, lah.11. 29. 


Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...