Notendren'ny Papa Leon xIV ho Eveka mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera MARIUSZ KASPERSKI, pretra avy amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée (OMI), Curé ao amin'ny Paroasy Md Eugène de Mazanod, ao Toamasina.
Tearaka ny 15 aogositra 1963 tao Wolsztyn, ao amin'ny Arsdiosezin'i Poznan, Pologne i Mompera MARIUSZ KASPERSKI. Ny 8 septambra 1987 izy no nanonona ny voady voalohany tao amin'ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée. Nanohy ny fiofanana tamin'ny fandalinana ny filôzôfia sy teolojia tao amin'ny Seminera zokin'ny Fikambanana OMI tao Obra tao Pologne izy ny taona 1987 ka hatramin'ny taona 1993, ary nohamasinina ho pretra tao Obra ihany ny 21 jona 1993.
Maro ny andraikitra nosahaniny. Vikera herintaona tao amin'ny paroasy Saint Stanislas Kostka tao Lubliniec, tao Pologne izy raha vao avy nohamasinina ho pretra. Ny taona 1995 izy no tonga teto Madagasikara ka nianatra ny teny malagasy nandritra ny taona iray. Ny taona 1996 ka hatramin'ny taona 1997 izy no voairaka hiasa tany Ambinanindrano Toamasina, Distrika Misionera Ambanivohitra. Avy eo voatendry ho lehiben'ny trano fiofanana Prenovisià OMI tao Toamasina ny taona 1997 ka hatramin'ny 2002. Nanomboka tamin'io taona 1997 io ihany koa, ka hatramin'ny taona 2012, no nisahanany ny andraikitra maha-curé tao amin'ny Paroasy Md Joany Batisata tao Analakinina, Toamasina.
Mpikambana tao amin'ny conseil de la Délégation OMI teto Madagasikara izy ny taona 2003 ka hatramin'ny taona 2012. Voatendry hiasa tany amin'ny Diosezin'i Morondava i P Marius ny taona 2012 ka hatramin'ny 2045, izay nahavoafidy azy ho Lehiben'ny Délégation OMI teto Madagasikara. Fito taona no nitantanany io andraikitra io.
Ny taona 2022 no nanatanteraka ny année sabatique tany Poznan, Pologne sy Canada izy. Avy eo niverina teto Madagasikara ka voatendry ho Lehiben'ny ankohonam-piainan'ny OMI tao Toamasina sy curé tao amin'ny paroasy Md Eugène de Mazenod, hatramin'izao nanendrena azy ho Eveka mpanampy, ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina izao.
Velom-pankasitrahana ny Fivondronamben'ny Eveka amin'ny fahasoavana arotsak'Andriamanitra ho an'i Madagasikara, amin'ny alalan'izao fanendrena eveka izao. Mitondra ny fiarahabana sy firarian-tsoa ho an'i Mgr MARIUSZ KASPERSKI sy Arsidiosezin'i Toamasina, i Mgr MARIE FABIEN RAHARILAMBONIAINA, Evekan'i Morondava, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara.
Izahay eto amin'ny Radio Don Bosco ihany koa dia miarahaba ny Arsidiosezin'i Toamasina amin'izao nahazoany Eveka mpanampy izao, ary mirary soa ho an'i Mgr MARIUS KASPERSKI, amin'ny adidy masina ankinin'Andriamanitra sy ny Eglizy aminy.