♦ Ny 22 jolay 1981, no nigadona tao amin'ny Distrikan'i Bemaneviky ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, namaky lay tao amin'io toerana io, nanao ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly... ♦ Notokanana tamin'ny faran'ny herinandro teo iny ny Immeuble Voary, trano foiben'ny Caritas ao amin'ny Diosezin'Antsirabe... ♦ Nanentana ny mpino rehetra ny Papa,  nandritra ny vavaka Angelus omaly, mba hanontany tena hoe : "Inona no tena fifandraisana marina amin'Andriamanitra, ary manao ahoana no namelomana ny finoana ?"...

[audio src="/images/sounds/mdl-20211011.mp3" background="#0099ffff"]

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...