♦ Nanolotra fiara efatra ho an'ny Minisiteran'ny Fahasalamana, ampiasaina any amin'ny faritra atsimon'ny nosy, ny PNUD... ♦ Nankahery ireo mponina tao Nosy Varika, niharan'ny vokadrasty navelan'ny rivodoza Freddy, ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, androany... ♦ Mbola ambany ny tahan'ny vehivavy mandray anjara amin'ny raharaham-panjakana eto Madagasikara. Nikarakara atrikasa nanasana ireo mpandinika ara-piaraha-monina, nijerena ireo sehatra tsy afahana manome sehatra ny vehivavy, ny Filankevi-pirenen'ny Vehivavy eto Madagasikara...
♦ Fitadiavana famatsiam-bola amin'ny fifidianana, no antony nampiova hevitra ny fanjakana Malagasy tamin'ny latsa-bato momba ny raharahan'i Ukraine, hoy ny Antoko Fiombonana. Fiovan-kevitra tao aorian'ny fanovana ireo mpikamban'ny Governemanta, farany teo... ♦ Manome 72 ora ny tompon'andraikitra, ireo mpampianatry ny CEG sy ny Lycée any Alakamisy Itenina, hamahana ilay raharaha tsy faneken'ny mpianatra vitsivitsy hihira ny hiram-pirenena. Milaza ho manaraka akaiky ity raharaha ity ny Minisiteran'ny Fanabeazam-pirenena...
♦ Mbola tsy levona ilay rivodoza Freddy. Tombanana hiverina ao amin'ny Lakandranon'i Môzambika ny andian-drahona miaraka aminy, ka mety hitondra orana betsaka any amin'ny andrefana sy atsimo andrefan'ny nosy... ♦ Hitombo avo roa heny ny famokarana herinaratra eto Madagasikara amin'ny taona 2028, amin'ny alalan'ny tetikasa PRIRTEM-2. Hahatratra 70% ny taham-pahazoan'ny Malagasy herinaratra, vokatr'izany... ♦ Mpiasan'ny fahasalamana an-jatony no hiasa sy hanome tolotra ara-pahasalamana eto Antananarivo, ao anatin'ilay tetikasa "Caravane médicale"...
♦ Tsy misy atahorana ny fiverenan'ny rivodoza Freddy. Ambany ny herijika hitomboan'ny heriny... ♦ Hamokatra angovo hatrany amin'ny 300MW ny tetikasa PRIRTEM 2. Tanan-dehibe roa, Antananarivo hatrany Antsirabe no handalovan'ny tambazotra fitaterana herinaratra izay mirefy 135km... ♦ Nanomboka androany ary haharitra folo andro ny "Caravane medicale Sarobidy ny Aiko", izay hisitrahan'ny mponina eto Antananarivo Renivohitra sy ireo Distrika manodidina...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco