♦ Mametraka fanamby hampiakatra ny tahan'ny fandoavan-ketra ho 15% ny foibem-pitantanana ankapoben'ny hetra hatramin'ny taona 2025. Mahavelombolo ny hetra niditra tamin'ny taona 2022 hoy ny tale jeneraliny... ♦ Hanampy ny tanora mpandraharaha hiditra amin'ny sehatry ny ara-dalàna ny Sendikàn'ny Indostria Malagasy. Napetraka ny Ivon-toeram-pitantanana ankatoavina. Fiara-miasan'ny SIM sy ny PNUD... ♦ Niravona ny disadisa nateraky ny fahaverezan'ny finday avo lenta teny amin'ny Lycée Andohalo. Efa notsoahin'ilay ray aman-drenin'ny mpianatra very finday ny fitoriana tany amin'ny mpitandro filaminana. Heverina hianatra ny mpianatra rahampitso taorian'ny fampihatoana 48 ora...
♦ Tsara ny tahan'ny fampidiran-ketra tamin'ny taon-dasa teo. Nahatratra 3680 miliara Ariary mahery ny vola niditra tao amin'ny kitapom-bolam-panjakana, raha araka ny tatitry ny Foibem-pitantanana Ankapoben'ny Hetra... ♦ Manambana hitokona ny Randrana Sendikaly, noho ny fidinan'ny karama farany ambany amin'ny sehatra tsy miankina... ♦ Miato hatrmin'ny rahampitso ny fampianarana eny amin'ny Lisea Andohalo, noho ilay savorovoro nateraky ny fahaverezan'ny fiday lafo vidin'ny mpianatra iray. Niakatra filankevi-pifehezana teo anivon'ny sekoly, ny raharaha androany...
♦ Notsenaina tao Andriba, vavahadin'ny Diôsezin'i Mahajanga, tamin'ny tapany maraina teo i Mgr Zygmunt Robaszkiewicz, Eveka vaovao ho an'ny Mahajanga... ♦ Tsy tokony hipetraka ny ady hevitra momba ny hisiana na tsy hisian'ny fifidianana amin'ity taona ity hoy ny Sampana Fanaraha-maso ny fifidianana SAFIDY... ♦ Miahiahy ny amin'ny fomba fiasan'ny CENI ao anatin'izao fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy izao ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Namafisin'ny mpitondra tenin'ny Antoko Me Rakotomalala Rija fa efa nanaitra amin'ny tokony hanaovana audit ny logiciel ampiasain'ny CENI izy ireo saingy mijanona ho antso an'efitra izany hatramin'izao...
♦ Nahatsiaro ireo 49 mianadahy lavo noho ny tolona ho an'ny fahafahana sy ny fijoroana ho an'ny fitiavan-tanindrazana, tamin'ny 7 febroary 2009, ny fitondram-panjakana notarihan'ny Filohan'ny Repoblika, omaly... ♦ Mandrahona ny hiverina hitokona sy hanamafy ny hetsika fitakiana indray ny sendikan'ny Mpirakidraharaha-pitsararana... ♦ Namaky bantsilana ny fomba tsy ara-drariny sy tsy ara-dalana nahazoan'ny olona tany 9 hektara eny amin'ny Kaominina Alasora, Distrikan'Antananarivo Avaradrano, omaly, ny Transparency International Initiative Madagascar sy ny Sehatra Iombonana ho an'ny Fananan-tany...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco