♦ Mety hivoaka amin'ity herinandro ity ny vidin-tsolika vaovao eto amintsika. Mbola tsy nihatra ihany koa hatramin'ny androany ny fiakaran'ny saran-dalana ao an-drenivohitra. Misy fepetra takiana amin'izany hoy ny UCTU... ♦ Mitaky ny hamoahan'ny fitondrana ny didy fampiharana ilay fampiakaran-karama 9,9% amin'ny sehatra tsy miankina ny Randrana Sendikaly. Mbola tsy nivoaka izany, roa volana aty aorian'ny fifanarahana teo amin'ny mpampiasa sy ny Fanjakana... ♦ Nihemotra amin'ny fotoana mbola tsy voafaritra indray ny fampivondronana ireo atleta malagasy hiatrika ny lalaon'ny nosy hatao eto amintsika. Nanazava ny momba izany ny avy amin'ny Ministeran'ny tanora sy ny fanatanjahan-tena...
♦ Mitokona ireo mpianatra ho dokotera miasa eny anivon'ny hopitalim-panjakana. Nampitsahatra ny asany izy ireo, noho ny fitakiana fisondrotana tambin-karama 13% toy ireo mpiasam-panjakàna... ♦ Andro faharoa ho an'ny fanadinam-panjakana BEPC manerana ny nosy anio. Ezahina hivoaka faran'izay haingana ny valim-panadinana, satria efa nanomboka omaly ihany ny fitsaràna... ♦ Handray ny Afrobasket latsaky ny 18 taona, lahy sy vavy, i Madagasikara afaka iray volana. Mananosarotra ny fanomanana amin'ny foto-drafitr'asa, hoy ny eo anivon'ny federasiôna...
♦ Ny taranja Malagasy sy SVT, androany no nanombohan'ny mpiadina ny fanadinam-panjakana BEPC. Efa nanomboka avy hatrany ny fitsarana, hoy ny eo anivon'ny Minsiteran'ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Nampitsahatra ny asany, ireo mpianatra ho mpitsabo "interne" sy "interne qualifiant", miasa eny amin'ny hôpitalim-panjakana. Nisy ireo nilanja sora-baventy teny amin'ny HJRA androany, mitaky fampiakarana 13% ny tambin-karama, toy ny mpiasam-panjakana rehetra... ♦ Ankizy tsy ampy taona miisa 2 tapitrisa any ho any amin'izao no efa miditra amin'ny sehatry ny asa, ka ny 80%-n'izy ireo dia anatin'ny asa mamoafady na mitera-doza...
♦ Nanomboka androany ny fanadinana ara-panjakana faharoa ho an'ny fampianarana ankapobeny eto Madagasikara. Mpiadina maherin'ny 310.000 voasoratra anarana no miatrika ny fanadinana BEPC manerana ny nosy. Fanadinana nosokafana tamin'ny fomba ofisialy teny amin'ny Lycée Nanisana... ♦ Nanomboka androany ny fotoam-pitsaràna miaramila amin'ity taona 2022 ity. Eny amin'ny kianjan'i Betongolo no hanaovana izany ho an'ny ao Antananarivo-Renivohitra... ♦ Efa miaina ny fiovaovan'ny toetr'andro i Madagasikara ankehitriny. Misy sehatra anaovana asa manokana nefa hanalefahana ny fiatraikan'izany fiovaovany izany hoy ny tompon'andriakitra ao amin'ny ministeran'ny tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco