♦Tokony hamafisina ny fampitàna ny tantaram-pirenena amin'ny taranaka faramandimby. Mampalahelo hoy Profesora Ralison Roger fa maty momoka hatrany ny ankamaron'ny tolom-bahoaka nisy teto Madagasikara... ♦ Hamafisina ny ady atao amin'ny valala eto Madagasikara. Mila mampirindra ny asa atao ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana, miaraka amin'ny FAO sy ny IFVM araky ny nivoitra nandritra ny filan-kevitry ny Ministra natao tany Toliara, omaly... ♦ Namoaka fanambarana manoloana ny herisetra nisesisesy tato ho ato nahazo ny ankizy ny Firaisamonim-pirenena miaro ny ankizy. Tandodomin-doza ny zanakao hoy izy ireo ka Andao hihetsika...
♦Hotokanana mandritra ny dian'ny Filohan'ny Repoblika ao amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana ny digy Hiarovana ny tanànan'i Toliara amin'ny tondra-drano. Natao tao Toliara omaly ny filan-kevitry ny ministra... ♦ Nolanian'ny Solombavambahoaka omaly ny tolo-dalàna manitsy ny andininy sasantsasany amin'ny lalàna nivoaka ny taona 1960 mifehy ny halatr'omby. Mihamafy ny sazy ho an'ireo tratra mangalatra omby... ♦ Nahiditra am-ponja eny Antanimora alina ireo olona miisa 3 voarohirohy tamin'ny famonoana an'i Raissa, novonoina tamin'ny fomba feno habibiana ; vehivavy 68 taona ny iray ary ankizilahy 16 taona kosa ny roa hafa...
♦Notanterahana androany tany Toliara ny filan-kevitry ny ministra izay notarihan'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... ♦ Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena androany ilay tolo-dalàna izay manitsy ny andininy sasantsasany tamin'ilay lalàna nivoaka ny taona 1960 mahakasika ny halatr'omby... ♦ Mitana anjara toerana lehibe amin'ny tsenan'ny karbôna ao amin'ny Faritra Sofia ny ala honko, izay mirefy 50.000 Hektara... ♦ Nivavaka ho an'i Papa Léon-XIV, tao amin'ny Chapelle Pauline ireo mpitondra fivavahana Tatsinanana manaraka ny fombam-pivavahana Copte, tamin'ny alatsinainy teo...
♦ Laha-dinika mandritra ny filan-kevitry ny ministra sy governemanta atao any an-drenivohitry ny Faritra Atsimo, ao Toliara anio ny momba ny fanantanterahana ny tetik'asa Base Toliara... ♦ Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa na ny OIT : 3.000.000 isan-taona ireo mpiasa mamoy ny ainy eo amperinasa manerantany... ♦ Norombahan'ny Profesora Lily Arison René de Rolland ny amboara ho an'ny "Prix Indianapolis 2025". Ny tenany izay nanompana ny fikarohany tamin'ny fiarovana ny vorona... ♦ Sokajian'ireo Kristianina ao amin'ny kaontinanta Aziatiaka ho Papan'ny olona mahantra sy ireo voahilikilika ary miasa ho an'ny fahamarinana ara-tsôsialy ny Papa Léon-XIV...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco