♦ Nandiso ny vaovao niparitaka tamin'ny tambazon-tserasera nilaza fa : nanafina ny Kôlônely Patrick sy mitahiry fitaovam-piadiana i Mompera Pedro, ny tanora Akamasoa, androany... ♦ Mitaky ny hametrahana rafitra mazava, mangarahara ary mampiaty, itondrana ny zotry ny fanavaozana ny firaisa-monim-pirenena ROHY... ♦ Manana paik'ady hampivoarana ny sehatry ny fiompiana eto Madagasikara ny Ministera tompon'andraikitra, ankehitriny... ♦ Hanohy ny fitsidihana Apôstôlika any Angola, anio, ny Papa Léon-XIV, handrasana any an-toerana anio tolakandro izy...

♦ Hifarana anio sabotsy ny hairanty Voatra andiany faha-12 sy ny andro natokana ho an'ireo mpandraharaha Marôkanina, izay tanterahina eny amin'ny Novotel Alarobia... ♦ Iharan'ny tsindry samihafa ny "Inspecteur" eo anivon'ny fadintseranana eo am-panatanterahana ny asany, misy ny tsindry ara-moraly, ara-materialy, ary ara-pôlitika... ♦ Mpiofana 50 mianadahy indray, no nahavita fiofanana arak'asa teo anivon'ny Ivon-toeram-piofanana FMA Ampasanimalo, tantanan'ny Masera Fille de Marie Auxiliatrice... ♦ Nankasitraka ny fanambaran'ny ministry ny raharaham-bahiny Iraniana omaly zoma, hanokatra ny détroit d'Ormuz, i Danald Trump...

• Hotrandrahana manokana amin'ny Voatra andiany faha-12, sy ny andro natokana ho an'ireo mpandraharaha marokanina, ny tsena any amin'ity firenena ity... • Iharan'ny tsindry samihafa ny Inspecteur an'ny fadintseranana eo am-panatanterahana ny asany, misy ny tsindry ara-moraly, ara-materialy sy ara-politika... • Mpiofana 50 mianadahy, no nahavita fiofanana araka asa teo anivon'ny Ivotoeram-piofanana FMA Ampasanimalo, tanatanan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice...

• Enim-bolana aty aoriana, efa manomboka very sahady ny tombony kely tamin'ny fahafahana maneho hevitra, hoy ny Transparency International Initiative Madagascar... • Alefan'ireo tantsaha amin'ny vidiny mora ny vary akotry any amin'ny Kaominina Ambanivohitra Ambatoboeny. 60.000 Ariary ny iray gony amin'izany, izay ahiana hiteraka olana ho an'ireo tantsaha... • Ilaina ny fanavaozana ny rafitra fandalinana ny toekarena mba hifanaraka amin'ny zava-misy ankehitirny, araka ny resaka nifanaovan'ny mpitantan-draharahan'i FMI, tamin'ny Minisitry ny Toekarena Malagasy, manoloana ny fiantraikan'ny krizin-tsolika...

[Miara-dàlana] Zoma 11 septambra 2026

• Tovolahy miisa valo no nanonona ny Voady Voalohany, hiditra ho mpikambana ao amin'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco, ny talata 8 septambra 2026... • Fanomezana sarobidy sy andraikitra tsy maintsy arovana ny fahamendrehan'ny maha olona, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny “Audience générale” ny alarobia 9 septambra 2026... • Nandray ireo Eveka vaovao miisa 147 namonjy ny fiofanana any Roma, ny Papa Léon XIV omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...