♦ Tany amin'ny 467 km atsimo-andrefan'Itampolo Ampanihy no nisy ny foiben'ilay rivodoza mahery Gezani, omaly tamin'ny 3 tolakandro. 120km/ora ny rivotra miaraka aminy, izay arahina tafiotra 170km/ora... ♦ Manentana ny rehetra mba hanalavitra ny fifanararaotana amin'ny endriny maro samihafa ao anatin'ny voina toy izao ny FFKM... ♦ Hisy amin'ireo mpiara-miasa akaiky amin'ny Filoha teo aloha Andry Rajoelina no hiakatra Fitsaràna amin'ity herinandro ity. Nisy koa ny fisavàna sy fisamborana ny mpiara-miasa aminy hafa ny faran'ny herinandro teo... ♦ Tsy nanadino an'i Madagasikara ny Papa Léon-XIV. Nitondra am-bavaka ireo Malagasy traboina ny Ray Masina...
• Efa any Toamasina ny Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, miaraka amin'ireo eveka maromaro, nihaona tamin'ny Kardinaly Désiré Tsarahazana, sy mankahery sy mivavaka ho an'ny mponin'i Toamasina, izay niharan'ilay rivodoza Gezani... • Mitady hisy hibodo ny tanin'ny Arsidiosezin'Antananarivo misy ny Rovan'ny Tovovavy, toerana mifanila sy mifanakaiky amin'ny Fiangonana EKAR Antanimena... • Tsy mihen-danja, ary tsy ho fatin'ny firoborobon'ny teknolojia vaovao ny Radio. Isan'ny nisongadina ireo androany, nandritra ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an'ny Radio, teny amin'ny Havoria Anosy...
• Tafakatra 30 ny isan'ireo namoy ny ainy vokatry ny rivodoza Gezani. Olona 6 no tsy hita popoka, maherin'ny 5 alina sy 2 hetsy ireo traboina, raha ny tarehimarika farany navoakan'ny BNGRC... • Hanampy an'i Madagasikara amin'ny fanarenana ny fahavoazana nateraky ny rivodoza Gezani, ireo mpiara-miombona antoka iraisam-pirenena. Nisy ny fivoriana niresahana izany fiaraha-miasa izany, tany Toamasina androany... • Tsentsin'ny fako ny tohodrano mamatsy rano an'Andekaleka, vokatry ny rivodoza farany teo. Miteraka olana amin'ny famatsiana herinaratra ho an'Antananarivo sy Toamasina, hoy ny Minisitry ny Angovo, androany...
♦ Manentana ny mpino katolika manerana ny nosy mba haneho fitiavana araka izay fantatry ny fontsika hanampiana ireo havana any amin'ny Faritra nahitàna fahasimbana nolalovan'ny rivodoza ny Fivondronamben'ny Eveka... ♦ Mangataka vavaka sy tolo-tanana avy amin'ny mpiray tanindrazana indrindra fa ho an'ireo olona sahirana iahian'ny fikambanana ny Saleziana Don Bosco eto Madagasikara. Lasan'ny rivotra avokoa ny tafon'ny trano sy ny fotodrafitr'asa tao Mangarano... ♦ Feno 51 taona omaly 11 febroary ny nahafaty ny Colonel Ratsimandrava Richard. Herinandro katroka taorian'ny nandraisany ny fahefana avy amin'ny Jeneraly Ramanantsoa...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco