♦ Tsy handroso isika Malagasy raha tsy miova ny toe-tsaina ka anatin'izany ny ady amin'ny kolikoly hoy ny Filohan'ny Fanavaozana ny Kôlônely Randrianirina Michaël, tany Toamasina... ♦ Milaza tsy mahafantatra ny antony nampikatona ny biraon'ny HCC eny Ambohidahy ny Ministry ny Fitsaràna Fanirisoa Herinaivo... ♦ Mijoro ankehitriny ny Kômity vonjimaika misolo toerana ny Holafitry ny Mpanao gazety eto Madagasikara (CT OJM) izay hiasa mandra-pijoron'ny rafitra vaovao voafidy amin'ny alalan'ny fifidianana... ♦ Mbola hanohy ny fifampiresahana i Rosia sy Ukraine ary Amerika, taorian'ny dinika voalohany natao tany Abou-dhabi, izay mbola tsy nisy fehin-kevitra mivaingana...
• Asa goavana miandry ny Minisiteran'ny Fitsarana amin'ity taom-piasana vaovao ity, ny fanaraha-maso ny fifidianana rehetra hotanterahana eto Madagasikara, isorohana mialoha ny hala-bato. Eo koa ny fampodiana an-tanindrazana ireo vola an'ny fanjakana Malagasy izay voageja any ivelany, hoy ny Minisitry ny Fitsarana... • Nampahafantarina ireo mpandraharaha malagasy tamin'ny alalan'ny atrikasa androany teny Antaninarenina, ny dingana sy ny fepetra takina raha hanondrana entana any Eoropa... • Tsy hisy fanerena ny fisoratana anarana biometrika hotanterahana manerana ny nosy. Tsy hisitraka ireo tolo-draharaham-panjakana kosa ireo tsy ao anaty angon-drakitra...
♦ Namoaka fanambarana manoloana ny fisian'ny aretina samihafa sy ny fitsaboana azo atao toy ny fanaovam-baksiny, ny Vaomieran'ny Eveka misahana ny Fahasalamana... ♦ Loza mitatao, hoy ny mpanao gazety Maka Alphonse, raha tsy voahevitra sy voalanjalanja tsara ny mety handraisan'i Madagasikara an'ireo mpifindra-monina... ♦ Nihazo an'i Toamasina indray androany ny Filohan'ny Fanavaozana Randrianirina Michaël, mivady, sy ireo mpanolontsaina avon'ny fanavaozana roalahy... ♦ Noravain'ny praiministra japoney, Sanae Takaichi, androany, ny antenimieram-pirenena any Japon...
♦ Nisy ny atrik'asa voalohany nataon'ny kômity hitarika ny fikaonandoham-pirenena, izay notarihan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny repoblika ny Kôlônely Randrianirina Michaël... ♦ Nampahatsiahy ny lalàna mamaritra ny fanendrena PDS ny ministeran'ny atitany sy ny fitsinjaram-pahefana... ♦ Miisa telo sisa ireo Faritra tsy ahitàna ny MPox eto Madagasikara. Mbola goragora anefa ny fitandremana ho an'ny tsirairay... ♦ Ny Itatra Atidoha (IA) no loha-hevitra iray novoboasan'ny Kardinaly Pietro Parolin niaraka tamin'ireo tanora tao Roma...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco