♦ Azo lazaina ho marefo ny mpitondra, hoy ny antoko Otrikafo raha naneho hevitra momba ilay volamena 49 kilao tratra tatsy amin'ny nosy Comores, matoa mbola mitohy ny gaboraraka amin'ny fanondranana an-tsokosoko ny harena an-kibon'ny tany... ♦ Nodimandry omaly teo amin'ny faha-95 taonany Rakotondranaivo André, mpampianatra, mpanoratra boky fampianarana ary poeta... ♦ Manana sehatr'asa hiarovana ny tontolo iainana ny Fanilon'i Madagasikara. Fandaharam-panabeazana tanterahan'izy ireo ny ady amin'ny plastika...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...