♦ Olona 9 no namoy ny ainy, vokatry ny fiavian'orambe teto antananarivo, alina tontolo, araka ny tatitra vonjimaika avy amin'ny Sampana mpamonjy voina ao an-drenivohitra. Dibo-drano ny faritra iva ny maraina teo... ♦ Mizarazara be ny hevitr'ireo mpanao politika momba ny fanatanterahana ny tetik'asa "téléferique". Tsy ny fisian'ny foto-drafitr'asa aorina toy ireny, no paik'ady mampandroso ny firenena hoy ny SFDM... ♦ Efa voafehy ny zava-misy momba ilay fikasàn'ireo gadra 7 nikasa ny hitsoaka ny fonjan'i Morondava. Tsy nisy ny namoy ny ainy, araka ny vaovao niparitaka, hoy ny tale jeneralin'ny fandraharahana ny fonja...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...