♦ Manana toerana manokana etsy amin'ny seranam-piaramanidina vaovao ny asa tanana malagasy, notokanana omaly ny toerana natokana ivarotana, ary nanome voninahitra izany ny ministra Sophie Ratsiraka... ♦ Mbola vitsy ny mpanaramason'ny varotra eto Madagasika, misy akony amin'ny asan'izy ireo izany. Isan'ny nivoitra nandritra ny fivoriambe notanterahan'izy ireo teny Ambohimanambola izany... ♦ Mifanitsaka andraikitra sy mampifangaro fahefana ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry any amin'ny Faritra Bongolava araka ny fahitan'ny fiaraha-monim-pirenena FIVATO azy...

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...