♦ Tontosa omaly ny "Messe Chrismale" ho an'ny eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo. Navoitry ny Eveka Mpanampy nandritra ny toriteniny fa misy lanjany lehibe amin'ny fiainana kristianina ny vavaka... ♦ Hitarina ny velaran-tany hambolena ny vokatra ara-biolojia eto Madagasikara. Naseho omaly ny vokatry ny fanadihadiana momba izany... ♦ Navadika ho fandrahonana ho faty ny fitakian'ny tompon-tany ny antony namefen'ny olona iray ny tanin'izy ireo tao Ambohitanety-Alasora... Olona maromaro no nohenoina teny amin'ny paositry ny pôlisy Analamahitsy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...