♦ Tena misy ilay fikasàna hitsipàham-pitokisana ny governemanta eny amin'ny Antenimieram-pirenena, raha ny filazan'ny Solombavambahoaka. Amin'ny fivoriana ara-potoana voalohany izay hanomboka amin'io herinandro io no voalaza fa hanaovana izany... ♦ Mpanolontsain'ny tanànan'Antananarivo miisa dimy indray androany no nampanantsoina teny anivon'ny sampan-draharaha misahana ny heloka an'habaka eny Anosy, nohenoin'ny polisy momba ny filazàna vaovao tamin'ny facebook... ♦ Tokony hampanarahana ny fenitra aty Afrika ny fampiakarana karama ho an'ny sehatra tsy miankina, raha ny hevitry ny Randrana Sendikaly. Miantso ny filoham-pirenena hampiakatra ny karama farany ambany ho 300.000Ariary ity vondrona ity androany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...