♦ Nosamborina ny ministra sady solombavambahoakan'i Brickaville teo aloha, Vaonalaroy Randrianarisoa. Nentina avy hatrany sy notazomina eny Fiadanana izy, taorian'ny nisamboran'ny mpitandro ny filaminana azy, androany maraina... ♦ Tena efa misy tsy filaminana anatin'ny fitsaràna, raha tena nisy ilay fivoahan'ny tale jeneralin'ny CNaPs teo aloha ny fonja, hoy ny Randrana Sendikaly. Milaza ho matoky ny PAC, izay nametrahany ny fitoriana io tompon'andraikitra ambony anefa ity vondrona sendikà ity... ♦ Zaza 9 volana ka hatramin'ny 5 taona miisa 4.600.000 no kendrena ho vita vaksiny fanefitry ny kitrotro. Misy ny hetsi-panentanana ho amin'izany fanaovam-baksiny izany mandritra ity herinandro ity...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...