♦ Niala fitaintainana ireo mpanohana ny fitondràna taorian'ny nilazàn'ny BEI omaly fa hamatsy vola ny fanamboarana ny ampahany amin'ny RN13. Efa nampanantena ny tsy hanao politika intsony moa ny filoha, raha tsy vita mialohan'ny 2023 io lalana io... ♦ Tsy afaka misaraka ny finoana sy ny fitantanana ny firenena, na eo aza ny "laicité de l'Etat" hoy ny filohan'ny Antenimieram-pirenena. Nambaran-dRamatoa Christine Razanamahasoa fa tsy midika ho fitsabahan'ny fiangonana amin'ny fitantanana firenena ny fiaraha-miasa misy... ♦ Ho hentitra manomboka izao ny FMR amin'ireo izay mikarakara fifaninanana tsy nahazo alalana. Hiafara amin'ny fidirana an-tsehatry ny mpitandro ny filaminana sy ny vadin-tany handrava lalao izany, hoy ny filohan'ny FMR...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...