♦ Mihazo vahana tato ho ato ny fisolokiana anaty tambajotran-tserasera. Fitarainana maro momba izany no voarain'ny vaomiera misahana ny helokoa an'habaka eo anivon'ny Ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina... ♦ Hatsaraina ny kalitaon'ny fanofanana arak'asa omen'ireo ivon-toeram-piofanana 8 tantanan'ny Saleziana Don Bosco sy ny FMA eto Madagasikara. Navaozina ny fiaraha-miasa momba izany niarahana tamin'ny Via Don Bosco avy any Belzika... ♦ Mitaraina ny sendikàn'ny Polisy SEFPONAM fa mbola misy ny antsojay atao amin'ireo mpitarika sendikà. Porofon'izany, hoy ny sendikà, ny tsy fanatanterahana didim-pitsaràna momba ny zo arak'asa...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...