♦ Samy afaka nody avokoa na i Leva, Solombavam-bahoaka teo aloha, na ilay lehilahy iray notorian'ny vadin'ity Solombavam-bahoaka teo aloha ity, tao aorian'ny fakana am-bavany azy ireo... ♦ Vahaolana maharitra ahafahana miatrika ny olan'ny famatsiana solika, ny fiaraha-miasa amin'ny firenena arabo, hoy i Soalihy Moussa, mpamakafaka raharam-pirenena... ♦ Ny 780 tapitrisa amin'ireo miaina amin'ny vola latsaky ny 2 dolara isan'andro, dia avy amin'ny tontolon'ny mpiasa avokoa. Ao anatin'izany ny ankamaroan'ny mpiasa Malagasy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...