♦ Milaza ny hitady vahaolana tsy hiakaran'ny vidin-tsolika intsony ny filoham-pirenena tamin'ny kabary tany Mandoto omaly. Nambarany fa efa nahita tolotra 89 dôlara isaky ny Baryl any ivelany izy... ♦ Miantso ny FFKM hitarika donakafom-pirenena itadiavam-bahaolana eto amin'ny firenena ny vondrona ALDR sy ny KMSI. Nanano fanambaràna, etsy ankilany, ny VMF, mpiaro ny fitondràna, nampitandrina ireo manao kajikajy politika amin'ny toe-draharaha eto amin'ny firenena... ♦ Nanolotra famatsiam-bola ho an'ny PAM ho fanampiana ara-tsakafo any atsimon'ny nosy  ny Governemanta japoney. Mponina 39 000isa any amin'ny distrika Ambovombe sy Amboasary-Atsimo no hisitraka izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...