♦ Nomena toromarika hampidina ny saran-dalana ho 600 Ariary ireo taxi-be miasa ao an-drenivohitra. Hihatra ny sazy ho an'ireo izay tsy manaraka izany, aorian'ny amin'ny Alakamisy izao... ♦ Hikarakara fihaonam-be ho an'ny fanavotam-pirenena amin'ny faran'ny herinandro izao ny Rodoben'ny Mpanohitra. Fihaonam-be iantsoan'ireo ny antoko politika, sendikà, fikambanana samihafa ary ireo mpikamban'ny fiaraha-monim-pirenena... ♦ Olona iray no tratra nanoro sy nanome valina laza adina ho an'ny mpiadina ny fanadinam-panjakàna Bakalôrea omaly. Nisy koa ireo nahatratrarana taratasy fiantsoana hosoko, ka natolotra ny mpitandro ny filaminana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 30 jona 2025

• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...