♦ Vita sonia ny famatsiam-bola 25.000.000 Dôlara, ao anatin'ilay tetik'asa Mionjo, izay entina hiatrehana ny voka-dratsin'ny fiovaovan'ny toetr'andro sy hanarenana ny any atsimon'ny nosy... ♦ Manomboka miarin-doha ankehitriny ny sehatry ny fizahan-tany any amin'ny Faritra Atsimo-andrefana... ♦ Eo am-pamolavolana ankehitriny ny didim-panjakana hampiharana ilay lalàna vaovao momba ny tanin'olon-tsotra tsy vita "titre". Ny Faritra Vakinankaratra no nisantarana ny fampahafantarana ôfisialy ny fisian'ity lalàna ity...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...