♦ Voafonja 03 lahy no tafavoaka ny fonjan'Ambalatavoahangy any Toamasina androany tamin'ny mitatao vononana. Efa tratra ny iray, hifampitadiavana ny roalahy izay tafatsoaka niaraka tamin'ny basin'ny mpandraharahan'ny fonja... ♦ Efa mananiky ny 200.000 Ariary ny fampahafantarana didim-pitsarana iray ho an'ny fitsarana eto Antananarivo, hoy ny holafitry ny mpisolovava eto Madagasikara... ♦ Nandiso fanantenana ny mpiasa ilay fampiakaran-karama ho an'ny sehatra tsy miankina nampanantenain'ny fanjakana. Tsy voahaja tamin'ny  didim-panjakana fampiharana mantsy ny fampiakarana 9,9% nifanarahan'ny fanjakana sy ny vondron'ny mpiasa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...