♦ Tsy ankasitrahan'ny VMF na ny Vondron'olona Miaro ny Fitondrana ny hanaovana ny fikaonan-doham-pirenena eto Madagasikara. Milamina ny eto Madagasikara ka tsy hitan'izy ireo ny antony hanaovana izany... ♦ Hiteraka olana vaovao eo amin'ny fandraharahana ny sehatry ny lavanila ny nameran'ny fanjakàna ny vidin'ny lavanila masaka ho 500.000 Ariary/kg hoy ny K.M.T.A na Kômity Miaro ny Tombontsoan'Antalaha ivondronan'ny Mpisehatra lavanila rehetra any an-toerana... ♦ Hiakatra kianja, hiatrika ny lalao ampaha-efa-dalana amin'ny Afrobasket U18, fiadiana ny tompon-dakan'i Afrika Basket-Ball, anio indray  ny ekipam-pirenena malagasy lahy sy vavy. Hihaona amin'ny Guinéen, ny Ankoay lehilahy, ary Tanzaniane ho an'ny vehivavy...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...