♦ Feno 31 taona omaly ny 10 aogositra 1991, diaben'ny fahafahana niainga teo amin'ny kianjan'ny 13 mey nankeny Iavoloha niafara tamin'ny rà nandrika. Tokony haka lesona tamin'ny zava-nisy nahatonga ny 10 aogositra ny fitondrana, hoy ny antoko MFM... ♦ 3% isan-taona ny taham-pitombon'ny mponina eto Madagasikara, araky ny fanadihadiana fanisam-bahoaka sy toeram-ponenana andiany fahatelo. Nampahafantarin'ny Instat tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny vokatr'izany... ♦ Tafiakatra amin'ny ankatoky ny famaranan'ny Afrobasket latsaky ny 18 taona ny ekipam-pirenena malagasy lahy sy vavy... ♦ Mitsidika aty Afrika ny lehiben'ny diplomasia amerikana. Taorian'ny tany RDC, hiazo an'i Rwanda Andriamatoa Antonny Bliken...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...