♦ Misy manafina any an-trano ny solika, any Betafo, hanaovana avaro-maizina. Tonga hatrany amin'ny 7000 Ariary ny vidin'ny Gasoil 1 litatra... ♦ Any Atsimo-Atsinanana indray no manjaka ankehitriny ny halatra zaza varira na soba, araka ny fiteny any an-toerana... ♦ Kaominina 12 ao anatin'ny Distrikan'i Farafangana sy Vondrozo no afa-pahasahiranana tanteraka, noho ny fahavitan'ny lalana 25 km mahery, mampifandray azy ireo. Manodidina ny 500 isan'andro ireo olona nahazo asa tany an-toerana, tamin'ny fanamboarana izany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...