♦ Efa vonona 90% ny diôsezin'Antsirabe amin'ny fampian-tranoana ny JMJ Mada andiany faha-10. Efa mipetraka avokoa ny fandaminana rehetra amin'ny ankapobeny, hoy ny mpikarakara any an-toerana...♦ Zandary iray no namoy ny ainy ny sabotsy teo, notsatohan'ny miaramila tamin'ny antsy teny Imerintsiatosika. Efa nisy ny fepetra noraisina, nanoloana ity tranga ity, raha ny fanazavàn'ny ministry ny fiarovam-pirenena... ♦ Nitondra valin-kafatra ho an'ireo andian'olona nitaky ny fialàny ny filohan'ny FMR. Ambaran'izy ireo fa mitsabaka amin'ny fifidianana filohan'ny seksiôna any amin'ny faritra moa ny filohan'ny FMR...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...