♦ Tanora maherin'ny 30.000 isa no hanatrika ny JMJ Mada andiany faha-10 hatao any Antsirabe. Efa milamina ny fanomanana rehetra na ny fampiantranoana na ny fitaterana na ny fitandroana ny filaminana, hoy ny teo anivon'ny VPKT, omaly... ♦ Ezahina ho vita tsy ho ela intsony ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny harena ankibon'ny tany. Anatin'ny fakàn-kevitra isak'ireo sokajina mpiantsehatra ety Ivato ny Ministera nanomboka ny tapak'ity volana ity... ♦ Noravàn'ny mpianatry ny Anjerimanontolo ao Maninday-Toliara omaly ny fifaninanam-pirenena ho an'ny fanatanjahan-tenan'ny mpiasam-panjakàna. Mitokona indray izy ireo, noho ny fitakiana vatsim-pianarana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...