♦ Eo am-pamaranana ny fanomanana ny fandraisana ny JMJ Mada andiany faha-10 ny any amin'ny diôsezin'Antsirabe. Tany an-toerana omaly ny filohan'ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, nijery izany... ♦ Hatsaraina hampiasàna ny haitao ara-kajy mirindra amin'ny alalan'ny tetik'asa PRODIGY ny sampan-draharaha misahana ny sora-piankohonana sy ny kara-panondrom-pirenena. Tetik'asa vatsian'ny Banky iraisam-pirenena vola 86 tapitrisa Dolara... ♦ Matin'ny zandary nandritra ny fifandonana tao Andranofasika distrikan'Amparafaravola omaly maraina ny jiolahy mitam-piadiana mpaka an-keriny miisa 7 tarihan-dRAKIPIKIPY...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...