♦ Ny haba tokony hiditra amin'ny Ravinala Airports sy ny Aviation civile de Madagascar izao, no ampiasaina hampandeha ny Madagascar Airlines. Atahorana tsy  hanam-bola intsony noho izany ny ACM, toy izany koa ny ADEMA, hoy ny ministry ny fitanterana... ♦ Ho fantatra amin'ny talata ho avy izao ny vokatry ny fanadihadiana momba ny mponina sy ny fahasalamana, nataon'ny INSTAT... ♦ Nilentika ny tsenan'ny fanafarana sy fivarotana fiara eto Madagasikara, noho ny krizy nateraky ny Covid-19. Harenina izany, ka hiverina ny Salon de l'Auto, raha efa 3 taona izay no tsy nisiany... ♦ Nahafatesana olona miisa 4, ankizy ny 2 tamin'ireo, ny daroka baomba nataon'ny tafika etiopiana, tany amin'ny faritanin'i Tigré omaly...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...