♦ Efa an-dalana mihazo an'Antsirabe ny ankamaroan'ireo mpizaika hiatrika ny JMJ nanomboka ny maraina teo. Any Ihazolava no tanterahina ny antoandro ny Lamesa fanirahana ireo tanora hiatrika izany, ho an'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Nitsoaka avokoa ireo zandary, miaraka amin'ny vady aman-janany, taorian'ilay fitifirana niseho omaly tany Ikongo. Nirifatra koa ireo mpiandry fonja ka gadra 200 no tafatsoaka ny maraina teo... ♦ Hiantohan'ny kaominina Antananarivo ny kojakoja rehetra ilaina amin'ny fanorenana ireo trano fivarotam-boky teny Ambohijatovo. Nifandinika tamin'ireo mpivarotra niharam-boina ny kaominina Antananarivo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...