♦ Entintsika eto indray ny akon'ny andro fahatelon'ny JMJ any Antsirabe, ho an'ny tapany maraina teo. Lalan'ny Hazofijalina eny amin'ny Gara no hatrehan'ireo tanora mpivahiny, anio tolakandro... ♦ Atahorana hiitatra amin'ny faritra hafa ny fitakiana fitsaram-bahoaka eto amintsika, hoy ny Filohan'ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy, manoloana ilay raharaha tany Ikongo. Mila jerena hatrany iofotony, hoy izy, ny antony nahatonga ireny tranga ireny... ♦ Hiatrika lalao farany mety hahatafakarana any amin'ny CHAN 2022 ny Barea anio tolakandro. Lalao miverina hifanandrinana amin'i Botswana eny Mahamasina...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...