♦ Sambany teo amin'ny tantaran'i Madagasikara, tafakatra hiatrika ny dingana famaranana amin'ny CHAN 2022 ny Barean'i Madagasikara... ♦ Naneho ny fanohanany ny Maki Vehivavy androany, ny vadin'ny Filohan'ny Repoblika, mialoha ny handehanan'izy ireo hiatrika ny fiadiana ny tompon-daka eran-tany any Capetown... ♦ Ho tratra tsy ho ela ny fahavitan-tena ara-bary, raha samy mampihatra ny teknika fambolena nohatsaraina amin'ny voly vary, ireo faritra mpamoka-bary. Hampiroborobo ny fambolena ny vary safiotra amin'ny faritra 16 ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny STOI...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...