♦ Notsipahan'ny ministry ny fitsaràna ny filazana fa ny tsy fahatokisan'ny vahoaka ny fitsaràna no nahatonga ny tranga tany Ikongo. Mbola ao anatin'ny fanadihadiana ny fitondram-panjakana hoy izy... ♦ Mitokona ireo mpiasa contractuel eo anivon'ny INSTAT nanomboka omaly. Nakaton'izy ireo ny toeram-piasàny eny Anosy, ka tsy maintsy namoha ny vavahady ny tompon'andraikitra... ♦ Olona  500 no hahazo asa mendrika amin'ny fanadiovana ny lakan-drano ny Canal GR mirefy 14km ao an-drenivohitra. Tantsaha 70.000 isa ihany koa no hovoavatsy rano amin'ny tanimbarin'izy ireo amin'izao tetik'asa izao...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...