♦ Ho vakiana ny lalana hampitohy an'Antsohihy sy Andapa, ka hatomboka amin'ity taona ity izany. Miara-dalana amin'ny fanamboarana ny lalana mampitohy an'Ambovombe sy Toliary. Ho vita afaka roa taona ny lalana Ambanja hatrany Antsiranana... ♦ Nizara ny zava-bita ary nanolotra ny paik'ady sy ny sehatr'asa hatao amin'ny taona 2023 ho an'ireo mpiara-miombon'antoka eny ifotony  ny teo anivon'ny tetik'asa "Tontolo voajanahary lovain-jafy amin'ny ilany Atsinanan'i Madagasikara"... ♦ Mpilatsaka an-tsitrapo vaovao 22 avy amin'ny Peace Corps no tonga eto Madagasikara. Niverina  ireo mpilatsaka an-tsitrapo avy amin'ny Peace Corps roa taona aty aorian'ny valan'aretina Covid-19...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 aogositra 2025

• Nanentana ireo olom-boatokana handray andraikitra ho vavolombelon'ny fitiavana sy ny fahamarinana eo amin'ny fiaraha-monina, ny Arsevekan'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Jobily nasionaly ho an'ny olom-boatokana eto Madagasikara... • Nigadona tany amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina, toerana hanatanterahana ny JMJ Mada 11, ny Lakoran'ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria ny sabotsy lasa teo... • Aza mamaly herisetra amin'ny valifaty, hoy ny hafatra fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...