♦ Efa tsy ao amin'ny vovonana manohana ny fitondrana intsony ny antoko MMM. Nilaza ho resy lahatra ny amin'ny tokony hirosoana amin'ny fikaonandoham-pirenena ihany koa ny Malagasy Miara-Miainga, araka ny nambaran'ny filoha nasiônaly... ♦ Voatonontonona amin'ny raharaha fakàna an-keriny tanin'olona eny Faravohitra ny Governoran'Analamanga. Nitondra fanazavana sy fitarainana ilay olon-tsotra iharan'izany... ♦ Manome 72 ora ny Ministeran'ny fampianarana ambaratonga ambony ny sendikan'ny mpiasa eo anivon'ity Ministera ity. Fe-potoana hikaroham-bahaolana momba ny fitakiana tambin-karama, sy fanavakavahana ataon'ireo tale jeneraly sasany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...