♦ Nitatitra ny famotorana nataony momba ny raharaha tany Ikongo androany, ny eo anivon'ny Zandarimarim-pirenena. Tsy fidiny ny nampiasana basy nisian'ny fatiolona, hoy ny Sekreteram-panjakna miadidy ny Zandarimariam-pirenena... ♦ Nanao fanadihadiana mahaleo tena ny CNIDH, manoloana ilay raharaha tany Ikongo. Naharitra 20 segondra ny tifitra nataon'ny Zandary, hoy ny tatitry ny Vovonam-pirenena misahana ny Zon'olombelona navoaka androany teny Antsahavola... ♦ Hiroso amin'ny fitokonana ao aorian'ny fampahafantarana ny tompon'andraikitra, ireo mpiasa eo anivon'ny fampianarana ambony...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...