♦ Nitsipaka ny fikasàn'ny FFKM hitarika ny fifampidinihin'ireo mpisehatra politika, manoloana ny raharaham-pirenena ny fitondrana. Nanamafy izany fandavana izany ny mpitondra tenin'ny governemanta... ♦ Nihena ny isan'ny mpianatra eny amin'ireo sekoly miahy tena tamin'ity taom-pianarana vaovao ity, hoy ny Federasiôn'ny sekoly tsy miankina. Maro tamin'ireo ray aman-dreny no namindra ny zanany eny amin'ny sekolim-panjakàna, noho ny olana ara-bola... ♦ Samy hiatrika lalao amin'izao faran'ny herinandro izao ireo klioba misoloten antsika amin'ny fifaninana afrikàna isan-tarika eo amin'ny baoina kitra. Hanafika any Eswatini anio tolak'andro ny CFFA, handray an'i PWD de Bamenda eny Mahamasina kosa rahampitso ny ElgecoPlus...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...