♦ Niharan'ny fisavana fanintelony indray ny tranon'Andriamatoa Rajaonah Mbola teny Ambohimahitsy, omaly alahady. Naharitra adiny efatra ny fisavana, hoy ny Me Rafidison Eric... ♦ Mazava ny andraikitry ny fiangonana, hoy ny FFKM nandritra ilay fiombonam-bavaka notanterahina teny amin'ny Ekar Md Misely Amparibe. Mbola misy anefa ireo mpanao politika miandrandra ny ho fandraisana andraikitry ny FFKM manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny... ♦ Baolina kitra aty Afrika, nifarana ny dian'ny ekipan'ny CFFA Andoharanofotsy, raha mbola afaka hanohy ny dingana manaraka ny ElgecoPlus...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...