♦ Tsy hisy fanavahana fa tsy maintsy henjehina na iza na iza tafiditra tamin'ilay raharaha fanapohana akora hafa amin'ny solika, hoy ny Minisitry ny Angovo sy ny Akroanafo, Ramaroson Andry... Ankoatra ny fisamborana dia efa nisy koa toby mpanijara solika nakatona... ♦ Nampahafantarina androany teny Alarobia, ny logiciel SIGLE, hampiasaina amin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy. Afaka hitsirika irao anarana miverimberina ao anaty lisitry ny mpifidy ity logiciel ity, hoy ny CENI. Tokony mbola hanafarana teknisianina avy any ivelina kosa ity logiciel ity, hoy ny antoko Malagasy Miara-Miainga...

[Vaovao manokana] Alakamisy 17 avrily 2025

Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...