♦ Noho ny fitsitsiana ataon'ny JIRAMA no mahatonga ny delestazy tato ho ato, hoy ny filohan'ny filan-kevi-pitantanan'ity orinasam-panjakàna ity. Hihena tsikelikely anefa izany manomboka amin'ny faran'ny volana oktobra, noho ny fitomboan'ny famokarana herinaratra any Andekaleka... ♦ Olona hatrany amin'ny 500.000 teto Antananarivo, tany Mahajanga sy Toliara no nisitraka rano fisotro madio tao anatin'ny 5 taona noho ny tetik'asa WADA. Sekoly sy tokan-tranon'olon-tsotra maro no nanangànana foto-drafitr'asa... ♦ Mitaraina ny mpitarika fikambanana VMMF fa enjehina, noho ilay fanambaràna fitakiana vahaolana noho ny fahatapahan-jiro sy ny tsy fandriam-pahalemana any Menabe. Efa nivaly amin'ny ampahany ny fitakiana...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...