♦ Mbola tsy mitovy ny tandin-dokanga eo amin'ny CENI sy ireo antoko pôlitika, manoloana ilay logiciel Sigle, iray andro mialoha ny fanombohan'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy... ♦ Niafara tamin'ny fifanarahana ny dinika teo amin'ny fitondrana malagasy sy ny Vondrona Eorôpeana manoloana ny jona lamatra. Niabo 40% ny vola haloan'ny Vondrona Eorôpeana eo amin'io sehatra io raha oharina amin'ny fifanaranahana teo aloha... ♦ Manamafy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena fa tsy maintsy hiaran'ny sazy ireo mpitandro ny filaminana voaporofo fa mandika ny lalana sy ny sata mifehy azy ireo...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...