♦ Hatao ao anatin'ny fampanjakàna ny mangarahara sy ny fampandraisana anjara ny rehetra ny hetsika sy ny asa rehetra atao amin'ny fanavaozana ny olom-pirenena manan-jo ao anatin'ny lisitry ny mpifidy... ♦ Lalam-pirenena miisa 11 no hamboarina amin'ity taona ity, vola 100 tapitrisa dolara no hamatsian'ny Banky iraisam-pirenena izany... ♦ Mitontongana efa tafidina ambanin'ny 4000 Ariary ny sandan'ny Euro ankehitriny, raha efa nananontanona ny 5000 Ariary izany volana maromaro teo aloha. Isan'ny mahatonga izany ny fiantraika ara-toe-karen'ny ady any Ukraine...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...