♦ Manao tatitra amin'ny Banky iraisam-pirenena any Washington ny Fanjakàna Malagasy, tarihin'ny Ministry ny Fitantanam-bola. Tatitra, momba ny fivoaran'ny fanatanterahana ny fanavaozan-drafitra ara-toe-karena eto Madagasikara... ♦ Miantso ny hanampiana fitaovana entin'izy ireo miasa ny tonia mpampanoa lalàna ambony eo anivon'ny Fitsaràna fandravàna didy. Fanamby ho azy, amin'ny fandraisana io andraikitra io, ny tsy hisian'ny antotan-taratasin'ady mitarazoka intsony... ♦ Vahaolana hitan'ireo manampahaizana avy amin'ny Banky iraisam-pirenena manoloana ny hain-tany any atsimon'ny nosy ny fanorenana toho-drano lehibe any Tsivory. Nanao fanadihadiana tany amin'ny reniranon'i Mandrare izy ireo, nahitàna izany vahaolan'ny kere izany...

[Miara-dàlana] Zoma 8 aogositra 2025

• Hotanterahana ny alahady 10 aogositra 2025, ny fametrahana amin'ny fomban'ny Fiangonana eo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy an'i Mgr Marek Ochlak... • Mampitodika antsika hivavaka ho an'ireo fiaraha-monina sy firenena sarotra mihavana, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany ho an'ity volana aogositra ity... • Nandefa hafatra ho an'ireo nandray anjara tamin'ny Fihaonan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Afrika sy i Madagasikara, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...